• 16 septembre 2021

Naneho ny hatezerany ireo mpianatra avy ao amin’ny ambaratonga ambony, zanaky ny faritra Amoron’i Mania izay mandrato fianarana eny amin’ny oniversitean’Antananarivo, manoloana ny fanesorana ireo namany izay monina ao amin’ny trano misy azy eny amin’ny cité an’ny mpianatra Ankatso. « Misy ny fampiadiana foko izay ataon’ny fitantanana avy ao amin’ny Croua  eo amin’ny samy mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo », hoy izy ireo. « Anisan’izany ny fampidirana ireo mpianatra hafa avy any amin’ny faritra Analanjirofo ho solon’izy ireo ka mitarika ady eo amin’ny samy mpianatra », araka ny filazan’ny filohan’ny mpianatra avy ao amin’ny faritra Amoron’I Mania Heritiana oussen.

 

Partagez :
Mahandry