• 27 septembre 2021

Azon’ny Mpitandro filaminana avy ao amin’ny Rezimanta Miaramila 2RM3 ny basy mahery vaika MAS 36 fampiasan’i Rafalisoa Jonah dit Legavo izay dahalo efa ela no nikarohana azy. Nidina tany Morarano fokontany Betalevana kaominina Bemaitso Distrikan’Andilamena ny miaramila avy ao amin’ny 2RM3 izay notarihin’ny Colonel Dafitse Pierrot raha nahare ny vaovao mikasika an’i Legavo.

Tsy tratra tao an-toerana ity olon-dratsy ity noho ny fahalaviran’ny toerana, fa ny basy mahery vaika fampiasany no saron’ireto mpitandro ny filaminana ireto izay naleviny tany an-tsaha miala kely ny tanàna ka ny vadin’i Legavo ihany no nanondro ilay toerana nadevenany ilay basy.

Partagez :
Mahandry