• 4 octobre 2021

Tsy afaka hiaro ny voninahim-pirenena amin’ny lalao hiaonana amin’ni RDC i Abel Anicet kapitenin’ny Barea nohon’ny ratra nahazo azy nandritra ny fanazaran-tena niaraka tamin’ny ekipany vaovao Future FC.  Toy izany koa i Fabien Boyer. Ity farany kosa dia nohon’ny tsy fahavitan’ny vaksiny « fièvre  jaune ». Nanampy isa iretsy roa voalohany koa i Andriamahitsinoro Carolus.

I Randriatsiferana Tsiry (AJESAIA) no nantsoina hisolo toerana azy amin’ireo lalao roa ireo raha ny fanapahan-kevitry ny Staffn’ny Barea.

Partagez :
Mahandry