• 24 novembre 2021
Toeram-piompiana omby vavy beronono miisa 7 eto amin’ny faritra Alaotra Mangoro no nahazo famatsiam-bola tamin’ny alalan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny faritra sy ny Departemanta I’lle et Vilaine avy any Frantsa. Ireo mpiompy voafantina tao anatin’ny tetikasa « fermes pilotes » no nisitraka izany.
Tanjona amin’izao fanomezana tosika izao ny mba hisian’ny famoronana asa sy hahafahan’ny orinasa madinika misehatra amin’ny fitrandrahana vokatra azo avy amin’ny ronono miroborobo.
Nidina ifotony nijery ireto « fermes pilotes » ireto ny Governora Dr Ramandehamanana Richard, nambarany fa nahitam-bokany sy fiantraikany mivantana teo amin’ireo mpiompy izao fiaraha-miasan’ny faritra sy ny departemanta Ille et Vilaine izao.
Partagez :
Mahandry