Brèves

Nahitam-bokany ny fanentanana nataon’ny zandary ao amin’ny borigady Fanjakana Isandra. Basy tsy ara-dalàna 7 no nisy nanatitra ny 23 novambra, 4 miendrika basy lava ary 3 poleta samy vita tanana. Ny 4 amin’ireo tao an-tanànan’i Ambalasakoana fokontany Ranomena kaominina Andreamalama distrika Isandra. Ny 3 tao Famoriana, fokontany Lazaina, kaominina Fanjakana. Tafakatra 77 izany ny basy tsy ara-dalàna voaverina ao anatin’ny faritra Matsiatra Ambony, hatramin’ny 16 novambra nanombohan’ny hetsika famotsoran-keloka amin’ny basy tsy ara-dalàna.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer