Brèves

Tra-tehaky ny polisim-pirenena tetsy Ankazomanga ny lehilahy iray nangalatra fiara. Fiara tsy mataho-dalana “Toyota Hilux” no nofainy nandritra ny 12 andro. Rehefa tonga ny fotoana tokony hamerenana izany dia tsy hita ity farany ary nanjavona ihany koa ny fiara.
Fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa any Toamasina no misy ilay fiara. Rehefa tonga tany an-toerana ny mpitandro filaminana dia tratra tany ny lehilahy iray nitondra ny fiara, izay efa nikasa hivarotra izany.
Tao anatin’ny fanadihadiana hatrany no nahafantarana fa manana raharaha maro mampisaringotra azy eny anivon’ny sampan-draharahan’ny Polisy eto an-drenivohitra ity lehilahy ity.
Michel

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer