Brèves

Fako milanja 7 taonina isan’andro ao amin’ny kaominina Ampitatafika no afaka ahodina ao amin’ny ivon-toerana fanodinana fako vaovao izay mirefy 400m2 hapetraka miala 3km eo amin’ny kaominina an-tampontanana.
Tanjona amin’ity tetikasa izay vatsian’ny AFD vola ity ny hanodinana zezika mba hanampiana ny tantsaha eny an-toerana amin’ny fampiroboroboana ny fambolena.
Vinavinaina ho raisina vonjimaika amin’ny faha13 volana janoary ho avy izao ity ivon-toerana ity raha ny fanambaran’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny ONG Gret izay manatanteraka ny fananganana ny orinasa.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer