Social

Antsoatany: ho 50Ar ny vidin’ny rano iray bidon amin’ny 20l

Antananarivo, 21 jona 2021 (DDIT): Mponina manodidina ny 10 000, ao amin’ny kaominina Antsoantany, faritra Vakinankaratra, no hisitraka rano fisotro madio aorian’ny fananganana fotodrafitrasa mpamatsy rano any an-toerana. Hahazo toeram-pidiovana sy fanasan-damba ho an’ny daholobe ihany koa ny kaominina. Vinaina ho vita ao anatin’ny 6 volana izany, raha ny nambaran’ny ministra tomponandraikitra, Rakotovelomanantsoa Voahary, nandritra ny fandalovany tany an-toerana. ”Raha 200 Ar ny vidin’ny rano iray bidon amin’ny 20l teo aloha, dia mety ho 50ar izany rehefa vita ny tetikasa”, hoy izy, ”ary efa nisy fanadihadiana natao ka neken’ny vahoaka izany”.

Narindra Rafenomanana

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer