Social

APIPA : mila tonga saina amin’ny fahadiovana ny olona mba tsy handrora mitsilany

Ao anatin’ny fankalazana ny faha 25 nisiany dia nanatanteraka asa fanadiovana ny bassin Andavamamba sy ny lakandrano C3 ny teo anivon’ny APIPA androany 22 oktobra. Niarahany tamin’ny mpiaramiombonantoka maro misehatra amin’ny fanadiovana toy ny minisiteran’ny Rano, ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny hetsika.

Tanjona ny hanentanana ny mponina eny amin’ny manodidina amin’ny tsy hanariana fako ao anaty lakandrano. Mila tonga saina amin’ny fahadiovana ny olona mba tsy handrora mitsilany. Entina sahady miomana amin’ny fahavaratra izao hetsika izao.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer