Social

CEPE, BEPC ary BACC : voatazona ireo datim-panadinana 2021

Antananarivo, 5 may 2021 (DDIT): Tsy misy ny fiovana ny datin’ireo fanadinam-panjakana hatreto amin’ity taona ity. Hiverina an-tsekoly ny mpianatra. Ireo kilasim-panadinana CEPE, BEPC ary BACC amin’ireo Faritra enina mihidy, ny kilasy rehetra ho an’ny faritra tsy mihidy, dia manomboka ny alarobia 5 aprily, ny fiverenana an-tsekoly hoy ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena Sahondrarimalala Marie Michelle, notronin’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitaleavana Nasionaly misahana ireo sekoly tsy miankina, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataony tao Anosy ny alatsinainy 03 Mey 2021. Hisy naoty hivoaka, ary halefa any amin’ireo sekoly miankina na tsia amin’ny fanjakana manerana ny faritra 22 mahakasika ny fidiran’ny mpianatra amin’ny alarobia 05 Mey izao, ary hisy ny lamina hapetraka manoloana ny valanaretina. Hafindra eny amin’ny EPP Analamahitsy ireo ankizy kilasim-panadinana ao amin’ny EPP-CEG Soamandrakizay, izay andraisana mararin’ny Covid-19.
Ta Fyh

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer