Politique

Covid-19 / USAID : “ny fanaovana vakisiny faobe no tetikady mahomby indrindra”

Vakisiny Pfizer 398 970 fatra no nigadona teny amin’ny Seranam-piaramanidina Ivato androany tamin’ny alalan’ny fanohanana ara-pitaovana avy amin’ny COVAX sy ny famatsiam-bola avy amin’ny governemanta amerikana.

“Ny fanaovana vaksiny faobe no fepetra mahomby indrindra azontsika hampiharina hiantohana ny fiverenan’ny fiainana ara-dalana ao anatin’ny fotoana fohy” raha ny nambaran’ny Tale Jeneralin’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny fampandrosoana (USAID Madagascar), John Dunlop, nandritra ny lanonana fandraisana ireo vaksiny ireo.

Raha atambatra dia mihoatra ny 1 000 000 fatra ny vaksiny COVID-19 hiadiana amin’ny Covid nomen’i Etazonia ny vahoaka Malagasy.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer