Social

CUA : foana ny fiantsonana manodidina an’i Mahamasina rahampitso

Foana avokoa ny fiantsonana manodidina an’i Mahamasina rahampitso zoma 17 septambra, raha ny fanambarana navoakan’ny kaominina Antananarivo renivohitra androany.

Voakasik’izany ny lalana Rajoelina, miainga eo amin’ny Koots food ka hatreo amin’ny fivarotam-panafody Mahamasina. Eo ihany koa ny lalana Andreba, miainga eo amin’ny Banana split hatreny amin’ny Gerb’Or. Ao anatin’izany ihany koa ny lalana Mahatma-Ghandi, miainga eo amin’ny Bazar du quartier makeny amin’ny Ekar St Joseph, ary ny lalana Ramanankirahina eo amin’ny Square point carré.

Ankoatra izay, mikatona ihany koa ny parking Antanimbarinandriana, sy Palais des sports ary Amparibe. Tsy azo ataon’ny fiara araka izany ny mitoby eo amin’ireo toerana voatondro ireo. Hiverina amin’ny laoniny kosa ny fiantsonana rehetra manomboka ny sabotsy 18 septambra.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer