Politique

Demokrasia : malalaka ny fanehoan-kevitra eto Madagasikara saingy  mila samy manaja ny fenitra ny tsirairay

15 Septambra, andro iraisam-pirenena ho an’ny demokrasia. Misy ny demokrasia eto Madagasikara saingy mbola mila hamafisina ny fanajana ny fenitra, hoy ny filohan’ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demokrasia sy ny Tany tan-dalàna (HCDDED), Navony Pierre Lenoble raha nanontanian’ny mpanao gazety teto amin’ny fanapariaham-baovao Taratra.

“Amin’izao fotoana izao, malalaka ny fanehoan-kevitra eto amintsika. Malalaka ny olona miteny, maneho hevitra. Hitantsika ireny amin’ny haino aman-jery sy facebook ireny. Any Inde, Chine, tsy misy an’izany Facebook izany, kanefa izy ireo milaza fa manaja ny demokrasia. Indraindray aza efa tafahoatra ny fanehoan-kevitra mahakasika ny mpitondrantsika sy ny tsirairay eto. Midika izany fa mbola tsy voafehintsika ny demokrasia. Tsy natao hanompana olona ny demokrasia fa misy fenitra tsy maintsy arahina. Anisan’izany ny fanajana ny hafa. Voafehintsika ve izany sa tsia?”

Fampianarana mandrakariva, hoy izy, ny fanoroana ny olona hiaina ny demokrasia. “Voalohany indrindra ho an’ny mpanao gazety izay mivoy izany demokrasia izany, ny mpanao politika izay miaina izany, ary ny mpitondra izay mampihatra izany demokrasia izany; samy tokony hanana sy hanaja ny etika avokoa izy ireo”.

 

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer