Social

Fako sy havoretrana eto Antananarivo : hampahafantatra indray ny fehezam-pitsipika monisipaly

Antananarivo 15 jolay (DDIT) Hampahafantatra indray ny fehezam-pitsipika monisipaly misahana ny fikoloam-pahasalamana ny kaominina ambonivohitra Antananarivo. Singanina manokana amin’izany ny fanadiovana ny tatatra sy ireo lakan-drano rehetra eto an-drenivohitra, noho ny fivangongoan’ny fako manentsina azy ireny. Anisan’ny voakasik’izany ireo lakan-drano etsy Ambondrona mihazo eny Faravohitra, vokatr’ireo fako mivantana sy ireo loto mivaingana avy amin’ny lavapiringa.

Androany, nidina ifotony teny an-toerana ny ben’ny tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina, sy ny talen’ny asa vaventy eo anivon’ny kaominina, Razafimandimby Bodosoa. Nijery ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana sy ny vahaolana maharitra hialana amin’ny fahatsentsenana lakandrano no anton-dian’izy ireo.
Tsiahivina fa efa nisy fampianarana ireo fehezam-pitsipika misahana ny fikoloam-pahasalamana nataon’ny kaominina ambonivohitra Antananarivo.

Articles similaires

Fermer