Social

Fanolanana sy famonoana ankizy tany Ambositra : olona efatra no voasambotra

Olona 4 mianadahy no voarohirohy tamin’ny raharaha fanolanana narahina famonoana zazavavy 7 taona tany Amoron’i Saha Manolotrony. Efa voasambotry ny polisim-pirenena ao Ambositra izy ireo ary nampidirina am-ponja avy hatrany omaly hariva taorian’ny famotorana.

Loharanom-baovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafahana nahalala ilay olona nitondra an’I Christina niala ny tranon’ny Ray aman-dReniny ny harivan’ny 10 septambra teo. Nosomborina avy hatrany ilay vehivavy ary niaiky izy fa nitondra io zazavavy io tamin’ny fotoana voalaza, nanda ny famonoana azy kosa izy ary nanondro mpivady hafa naniraka azy naka ilay zaza, rehefa notambazana vola iray hetsy ariary.

Nosamborina avy hatrany ireo mpivady ireo, niaraka tamin’ny mpimasy miara-miasa aminy sy manafina azy ireo tsy ho tratry ny mpitandro ny filaminana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer