Social

Farafangana: rambon- danitra mahery vaika nandrodana trano

Antananarivo, 4 may 2021 (DDIT): Nitrangana rambon- danitra niaraka tamin’ny oram- baratra mahery vaika ny tapany andrefan’i Farafangana iny, ny alin’ny 3 mey teo. Vokany, nirodana ny trano iray, nisy 5 mianaka tao anatiny, tapaka ihany koa ny jiro. Tsy nisy ny aina nafoy. Efa eo am- pikarakarana izany ny tomponandraikitry ny jirama, ny hamerenana amin’ny laoniny ny jiro sy ny rano. Tonga teny an-toerana ny Ben’ ny tanànan’i Farafangana RAJOELY Marcellin sy ireo ekipany, niaraka tamin’i talem- paritry ny Filaminam-bahoaka Atsimo Atsinanana ary ny talen’ ny jirama, nanarina tsikelikely ny manodidina ilay trano.

Dolly Rod

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer