Social

Fiaraha-miasa amin’i Monaco : sekoly 90 amin’ny faritra 4 no nahazo fampitaovana

Sekolim-panjakana miisa 90 avy amin’ny faritra Analamanga, Itasy, Bongolava ary Vakinankaratra no nahazo fampitaovana ara-panatanjahantena avy amin’ny solon-tenan’ny fanjakan’i Monaco androany. Izany dia tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny fanjakana roa tonta amin’ny sehatra sosialy, efa nanomboka ny taona 2010 ary mbola mitohy hatramin’izao. Ho an’ny taona 2020 dia sekoly miisa 70 no nisitraka izany. Baolina 3.625, harato 330 ary fanamiana no nomena ireo sekoly.

Notolorana amboara ihany koa ny CISCO tsirairay avy voakasika, vokatry ny lalao nifaninanana isan-tsekoly. Sekoly miisa 507, ahitana ankizy manodidina ny 220.900 no nisitraka izany. Ny 01 Desambra ho avy izao no ho atolotra any Ampefy ny anjaran’ireo sekoly any Itasy sy Bongolava ary ny 08 Desambra kosa ny an’ireo any Antsirabe.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer