Social

FIM : omen-danja ny fiarovana ny tontolo iainana

Omena lanja ary hita mandritra ny hetsika ”Foire Internationale de Madagascar” (FIM) ireo karazana vahaolana hampihenana ny fampiasana arina fandrehitra ho fiarovana ny tontolo iainana. Anisan’ny hampiavaka ity andiany faha 15 ity izany.

”Zava-dehibe ny fiaraha-mientan’ny sehatra tsy miankina sy ny fitondram-panjakana, indrindra amin’ny fanarenana ny ara-pihariana sy ny ara-toekarenan’i Madagasikara taorian’ny fisian’ny valanaretina Covid-19”, hoy ny ministry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Vahinala Baomihavotse.

Manohana ny orinasa sy ny tanora avy amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fampidirana ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana ny ministera tomponandraikitra amin’ny alalan’ny hetsika tahaka izao.

Manana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ara-toekarenan’i Madagasikara ny fiarovana ny tontolo iainana, hoy hatrany izy. Anisan’izany ny fanenana ny vidin’ny entona fandrehitra, sy ny fisian’ireo karazana tolotra mamporisika ny olom-pirenena tsirairay avy hiala amin’ny fiankinan-doha be loatra amin’ny fampiasana arina fandrehitra.

Miisa 150 ny mandray anjara amin’ity foara ity. Haharitra 4 andro ny hetsika, ary nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany maraina. Marihana fa ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy no mpiahy ny hetsika.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer