Social

Fivorian’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra andiany faharoa : hifantoka amin’ny fanatsarana ny fitantanam-bola sy ny mpiasan’ny kaominina.

Ny renivohitry ny faritra Atsimo Andrefana no handray ny fivorian’ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambonivohitra andiany faharoa, fantatra amin’ny hoe “journee city’s up Madagascar», manomboka rahampitso faha 24 novambra 2021.

Haharitra telo andro ny fivoriana. Anisan’ny lahadinika hanamarika izany ny fandinihana ny paikady mahomby itantanana ny mpiasan’ny kaominina, ny fomba fanadiovana ny tanàna, indrindra ny paikady momba ny fitantanam-bolan’ny kaominina. Tanjona ny hahatonga ny kaominina hahaleo tena kokoa ka tsy hiankin-doha manontolo aminy fanjakana foibe. Ny vola avy amin’ny hetra no ahafahana mampandroso bebe kokoa ny kaominina.

Ho an’i Toliara manokana, 30℅ ny taham-pahavitrihanan’ny mpandoa hetra ao amin’ny kaominina. Hisy ny paikady vaovao hapetraka mba hiakaran’izany taha izany, hoy ny ben’ny tanànan’i Toliara, Vita Sidison Dede. Hampahafantarina sy hampiharina tsy ho ela izany.

Farelle Yartina

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer