Social

Hisy aretina vaovao hipoitra manerana an’izao tontolo izao : tsy maintsy arovana ireo zava-maniry mitsabo eto Mdagasikara

Manodidina ny 3 300 ha ny velaran-tany nisy ala may tao Ankarafantsika tamin’ny afo nisesisesy tato ho ato. ary efa ho 12 000 isa ireo zava-maniry mitsabo eto Madagasikara ankehitriny.

Hisy aretina vaovao hipoitra manerana an’izao tontolo izao, raha ny vinan’ireo siantifika maneran-tany, ka ilaina ny fiomanana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana hitazonana ireo zava-maniry enti-mitsabo. Anisan’ny nivoitra nandritra ny fitsidihana ny valan-javaboahary Ankarafantsika tamin’ny fikaonan-doha iraisam-pirenena momba ny karazan-javamananaina sy ny fahasalamana teo izany.

”Tsy maintsy hanaovana ezaka goavana ny fiarovana ny rohin-javamananaina sy ny ala eto Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, Raharinirina Vahinala Baomihavotse. Hatao izay hananana tetibola matevina hiarovana ny Tontolo iainana sy ny fikarohana mba hanatanterahana izany, hoy hatrany izy.

Nanolotra fampitaovana ho an’ny VondronOlona Ifotony ao Ankarafantsika ny ”Coopération Allemande”, ho mariky ny fiaraha-miombonantoka amin’ny ady amin’ny afo. Anisan’izany ny kitapon-drano miisa 50, sy angady miisa 300.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer