Social

Homena karatra matihanina ireo mpamily amin’ny zotra nasionaly

Anisan’ny vina napetraky ny minisiteran’ny Fitaterana izany, mba hampihena ny loza sy hampirindra ny fifamoivoizana eny amin’ny lalam-pirenena, mba hidirana eo amin’ny ara-dalàna. Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny fisian’ny fampiofanana ireo mpamily manodidina ny fiarakodia, ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny bokin’andraikitra sns…

Ary anisan’ny fepetra noraisin’ny minisitera ny fanamafisana izany, taorian’ny lozam-pifamoivoizana nifanesy tato ho ato. Nisitraka voalohany izany, nandritra ny telo andro, ny mpamily 20 avy ao amin’ny koperativa Kompima, izay voatery nahato nandritra ny 10 andro noho ny loza namoizana ain’olona 11 ny herinandro lasa teo. Hatao laharam-pahalehana ihany koa ny fitiliana ara-tekinika mialoha ny hiaingan’ny fiara. Hiitatra any amin’ny faritra hafa ny fampiofanana, mba hisian’ny familiana am-pilaminana sy hieren-doza. Notolorana mari-pahavitan’ny fiofanana androany ireo nahavita fiofanana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer