Social

INSTAT: Tokatrano 16 896 hanaovana fanadihadihana momba ny tahan’ny fahantrana

Tokatrano miisa 16 896 manerana ny faritra 23 eto Madagasikara no ho voakasiky ny fanadihadiana maharitra eo anivon’ny tokatrano (EPM-21) izay ho tanterahin’ny ministeran’ny Toe-karena sy ny Vola amin’ny alalan’ny INSTAT. Haharitra efa-bolana ny fanadihadiana ka vinavinaina hivoaka ny taona 2022 ny valiny.

Tanjon’ny fanadihadiana ny ahafahana manangom-baovao momba ny toe-piainana isan-tokatrano, ny famarintana ny tahan’ny fahantrana, ny tahan’ny fanjifana, fandrafesana ny elanelana misy eo amin’ny tokatrano tsirairairay. “Ny fisian’ny tarehimarika navaozina no ahafahana mandray fanampahakevitra mahomby” , hoy ny Tale jeneralin’ny INSTAT, nandritry ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ity tetikasa ity androany faha-23 septambra.

Tamin’ny taona 2012 no nisy ny fanadihadiana farany ka 71,5% ny tahan’ny fahantrana tamin’izany. Miisa 280 ny isan’ireo mpanao fanadihadiana hanantanteraka ny asa.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer