Jery todika bakalorea 2021: maro ireo fanatsarana amin’ny fiatrehana ny bakalorea 2022.

  • 27 novembre 2021

Hohamafisina ny ezaka efa vita amin’ny fisorohana ny fanaparitahana ny laza adina mialoha na mandritra ny fanadinana bakalorea araka ny tapaka nandritry ny jery todika momba ny bakalorea 2021 notanterahina tany toliary ny 25 novambra lasa teo.

Tsikaritra fa voafehy ny fivoahan’ny laza adina raha mbola nisy kosa ny mpisoloky amin’ny laza adina osoka araka ny vaovao nampitain’ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hohamafisina bebe kokoa ny famaizana sy fanasaziana izay minia manao izany araka ny tapaka nandritry ny fivoriana. Tanjona amin’izao ny hanatsarana ny fiatrehana ny bakalorea 2022.

Tafiditra ao anatin’ny fanatsarana ny fanamafisana ny ezaka eo amin’ny fanomezana sehatra malalaka sy fanamorana bebe kokoa ny ahafahan’ny ireo mpianatra manana fahasembanana, hiatrika ny fanadinana ampitoniana sy an-kahalalahana tanteraka ary tafiditra amin’izany ny ankizy « autiste ». Voalaza fa hanomana sehatra manokana ireo olona mety ho voakasika izany ny ministera mpiahy mba tsy ho voasemban’ny ho mety hiverenan’ny valan’aretina COVID. Anisan’ny nodinihina nandritry ny fihaonana ny hoenti-manana hiatrehana ny fanatsarana fanadinana.

Ampifandrifina amin’ny fitombon’ny isan’ny mpiadina sy ny isan’ny laza adina tsy maintsy atonta . Mbola hodinihina kosa ny fangatahana ny hametrahana foibem-panadinana any amin’ny toerana lavitr’andriana sy mitoka-monina fa tsy voatery mamonjy distrika sy kaominina foana izay miteraka sakana amin’ireo mpianatra monina lavitra. Nofaritana mazava nandritra ny dinik’asa ny famaritana ny fe-potoana fanoratana anarana amin’ny fanadinana ialana amin’ny fisian’ny tratra aoriana araka ny tatitra voaray.

Partagez :
Mahandry