Social

Kaominina Antananarivo Renivohitra : nahazo fiarabe entina manadio ny tanàna sy ny tsena rehetra

Ho fanamafisana ny fanadiovana ny tanàna sy ny ady amin’ny Covid-19 dia nanolotra fiarabe fitateran-drano 2 mahazaka 18 000 litatra avy ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ny Coopération allemande GIZ amin’ny alalan’ny tetikasa ProDéCID androany 24 novambra. Sady ahafahana manadio ny tanàna sy ny tsena rehetra ity fitaovana ity no azo entina manondraka ny zaridaina, mba hananana tanàna maitso sy madio.
Nambaran’ny ben’ny tanàna, Andriantsitohaina Naina, fa noho ny tsy fahampian’ny ranon’ny JIRAMA, izay hita fa mampijaly ny mponina dia rano hafa toy ny renirano na dobo isan-karazany no hakana rano ampiasaina amin’ireto fiarabe ireto.
Ankoatra izay, nahazo fiara Minivan Foton Gratour V3 enina koa ny kaominina ahafahana mitatitra fitaovana sy mpiasa samihafa misehatra amin’ny ady amin’ny Covid-19 sy asa sosialy isan-karazany. Teo koa ny fanolorana fampitaovana entina misoroka sy miaro tena amin’ny valanaretina, toy ny kojakoja fanasana tanana 360, fitaovana fiarovan-tena (masques, gants, gel), fitaovana fiarovana manokana ny mpiasan’ny « cimetière » sy ny mpitsabo ampiasain’ny kaominina, fitaovam-pitsaboana, toy ny « concentrateur d’oxygène », « oxymètre »… Nisy koa ny fanolorana fitaovam-pamokarana herinaratra ho famonjena ny ao amin’ny fiadidiana ny tanàna raha misy fahatapahan-jiro.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer