Politique

Lapan’ny Fitsarana ao Betroka: ho vita amin’ity volana ity ny fanavaozana ny fotodrafitrasa

Ho vita mialoha ny faran’ity volana septambra ity ny fanamboarana ny fotodrafitrasa rehetra ao amin’ny lapan’ny Fitsarana Betroka, faritra Androy. Maherin’ny 80 %n’ny asa no efa vita; izany hoe ho voahaja ny fe-potoana 90 andro tokony hanaovana ny asa. Hiova endrika tanteraka izy ity, ary anisan’ny mampiavaka azy ny fisian’ny fotodrafitrasa manokana ho an’ny mpisolovava, hahafahan’izy ireo mandray an-tanana ny olona manan-draharaha ary ho fanomezana toro hevitra.

Hisy koa ny efitrano ho fakan-kevitra, azon’ny rehetra hatonina, sady napetraka manakaiky ny vavahady rahateo. Tanjona ny hampiharana ny politikan’ny ministeran’ny Fitsarana hoe fitsarana madio sy mangarahara ary manakaiky vahoaka. Anisan’ny fanantonana ny vahoaka, efa nampiharina any an-toerana amin’io ny fitsarana mitety vohitra. Efa maherin’ny 5000 ny efa nahazo kopian’ny sora-pahaterahana tao anatin’izany, nandritra ny 2 taona mahery kely izay, tao amin’ny distrikan’i Betroka.

Mandritra ny fidinana eny anivon’ny vahoaka dia sady manao karazana asam-pitsarana ny tomponandraikitra no nampahafantatra ny karazana asa sahanin’ny mpiasan’ny fitsarana. Anisan’ny efa nahavitana izany tamin’ity volana septambra ity ny tao amin’ny kaominina Isoanala. Ankoatra izay, nanao ezaka manokana nananganana tamboho manodidina ity lapan’ny Fitsarana ity ny fianakaviamben’ny Fitsarana any an-toerana, notohanan’ny fikambanana maro samihafa.

Efa vita izany tamboho iany; izay natao mba ho fiarovana amin’ny maha toerana saro-pady azy. Tafiditra anatin’ny tetikasa Prosud ity fanamboarana fotodrafitrasa ity, vatsin’ny PNUD vola, amin’ny alalan’ny tetikasa PBF.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer