Economie

Lavanila: Ny Alatsinainy 20 septambra izao no hivoaka ny lisitr ‘ireo mpanondrana nahazo fankatoavana

Manodidina ny 300 ny isan’ ireo mpandraharaha nangataka fankatoavana hanondrana lavanila voaray teto anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana araka ny fampitam-baovao avy amin’izy ireo. Ny Alatsinainy 20 septambra izao no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ireo lisitr ‘ireo nahazo fankatoavana, araka ny nambaran’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy omaly.

Anio 17 septambra kosa dia misy ny fivorian’ireo mpanangom-bokatra lavanila any amin’ny faritra SAVA. Ho dinihana manokana mandritra izany fivoriana izany ny fandaminana rehetra hiatrehana ny fotoana fanondranana ny lavanila ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Zava-dehibe ny hamerenana indray ny hasin’ny lavanila malagasy ary koa hamerenana ny mpandraharaha malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy.

Ilaina hoy ny Minisitra ny manaraka ny lalàna mipetraka rehetra handaminana ity seha-pihariana lavanila ity. Tsiahivina fa araka ny tetiandro navoakan’ny minisitera dia efa nisokatra nanomboka ny 15 septambra tamin’ny telo ora tolak’andro teo ny taom-piotazana lavanila. Napetraka ho 250 dolara isaky ny kilao ny fetram-bidy. Tsara ho fantatra fa mpanondrana manodidina ny 120 no nahazo fankatoavana tamin’ny taondasa, ny telo tamin’izy ireo nesorina tamin’ny lisitra noho ny tsy fanarahan’izy ireo ny vidin’entana napetraka tamin’izany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer