LNTPB : mitohy ny fitakiana ny fanalana ny tale jeneraly

  • 15 novembre 2021

Feno 08 andro androany ny fitokonan’ny mpiasa eo anivon’ny LNTPB (Laboratoire National des Travaux Publics et du Bâtiment). Mitaky ny fialan’ny tale jeneraly, ny talen’ny fitantanam-bola, ary ny tale misahana ny maha olona eo anivon’ity orin’asa ratsa mangaika amin’ny ministeran’ny Asa vaventy ity izy ireo noho ny tsy famalian’’ireto farany ny fangatahana izay nataony.

Miisa sivy ireo teboka lehibe izay takian’izy ireo.  Anisan’izany ny fampiharana ny fifanarahana iombonambe ara-bakiteny isaky ny andininy rehetra, ny fanatsaharana ny fampihorohoroana sy fanenjehana atao amin’ny solotenan’ny mpiasa, ny hanenjehana ireo manao hosoka amin’ny fividianana entana sy tsy manaraka rindran-damina, famoaham-bola amin’ny fividianana entana tsy misy akory sy fampiakarana ny vidin-javatra tsy mifanaraka amin’ny entana vidina tena izy.

Marihina fa manara-dalàna ny fitokonana izay ataonay satria efa nandalo teo anivon’ny « inspection de travail » hoy ny lehiben’ny solotenan’ny mpiasa Benja Randrianantenaina.

Partagez :
Mahandry