Loholona Eongobelo Marcel: vahaolana amin’ny tsy fananana asa ny fisokafan’ny orinasa « Base Toliara »

  • 17 septembre 2021

Mahatratra 15 300 ny isan’ireo olona mivelona amin’ny « cyclo pousse » ao amin’ny distrikan’ny Toliara nohon’ny tsy fisian’ny asa hoy ny Loholona, Eongobelo Marcel, nandritry ny fandrasainy ireo ankizy 24 mianadahy nahavita fianarana avy any Kenya nalefan’ny orin’asa base Toliara testy amin’ny lapa maitso anosy.

Anisan’ny fanoitra lehibe amin’ny ady amin’izany tsy fananan’asa izany ny fahavitan’ny fianaranareo sy ny fisokafan’ny orin’asa base Toliara satria mbola vonjimaika ny fanakatonana azy fa tsy tanteraka hoy izy. Nampirisika ireo akizy ny loholona mba hendresy lahatra ny mpiray monina any an-toerana ny momba ny tombotsoa entin’io tetikasa io sy hampafantatra ny traikefa hitany tany ivelany.

Nanamafy ny Loholona fa efa mandeha ny fifanarahana amin’ny fisokafan’ny orin’asa mba ho samy hanana tombotsoa ny andaniny sy ny ankilany ( ny mpitrandraka sy ny fanjakana), matoa tsy nakatona tanteraka dia misy dikany raha ny nambarany. Ny faritanin’i Toliara sy Fianarantsoa no betsaka tanora tsy an’asa indrindra eto Madagasikara kanefa ny faritra Atsimo Andrefana dia anisan’ny toerana mananana harena an-kibon’ny tany betsaka toy ny arin-tany, ny vato sarobidy sy ny sisa.

Partagez :
Mahandry