Social

Menabe : nanome tan-tsoroka ny olobe, olom-boafidy ary olom-boatendry ny PNUD

Nanome tan-tsoroka ara-teknika ireo olobe, olom-boafidy ary olom-boatendry tao amin’ny faritra Menabe ny sampan-draharahan’ny vondrona iraisam-pirenena misahana ny fampandrosoana (PNUD) amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny fitsipi-pifehezana ara-piarahamonina ao amin’io faritra io. Voarakitra ao anaty boky miisa 5.000 ny rijanteny nifanarahana.

Dinan’ny Menabe vaovao no hifamatorana indray eo amin’ny fiarahamonina ao amin’ny faritra ka haparitaka manomboka ny 12 aogositra ireo boky ireo. Mifototra amin’ny tsy fandriampahalemana sy fanajana ny tontolo iainana ny fanentanana sy fifanabeazana mandritry ny hetsika fanapariahana ireo boky.

Articles similaires

Fermer