Minisitera misahana ny Varotra : 2 300 Ar ny vidin’ny kilaon’ny vary

  • 26 août 2021

Noferana ho 2 300 Ar raha lafo indrindra ny vidin’ny kilaon’ny vary, 2 600 Ar ny kilaon’ny siramamy, 6 000 na 7 000 Ar ny litatry ny menaka, ary ny arina fandrehitra kosa dia tsy tokony hihoatra ny 23 000 Ar ny gony iray. 2 600 Ar kosa ny kilaon’ny lafarinina farany ambony.

Voakasik’io fetram-bidy io ireo entana vokarina eto an-toerana raha ny fanazavana teo anivon’ny Minisitera misahana ny Varotra.
Mahakasika ny entana afarana kosa dia hisy ny fifampidinihana amin’ny mpandraharaha mpanafatra entana. Hampiharina manomboka ny fiandohan’ny volana Septambra ireo vidin’entana ireo ary hanaovana andrana mandritry ny enim-bolana, izany hoe hatramin’ny faran’ny volana Janoary 2022.
Haparitaka amin’ny alalan’ny peta-drindrina ireo vidin’entana ireo, ary hapetraka ny fanaraha-maso hentitra. Hosaziana mafy ireo izay mbola mandika izany. « Tsy maintsy hajaina ireo vidin’entana ireo na dia andro fety aza » arakin’ny fanazavana hatrany avy amin’ny Minisitera.

Izany fanapahan-kevitra izany moa dia tapaka rehefa nanaraka dingana sy fifampiraharahana teo amin’ny ambaratonga isan-tsokajiny.

Nametraka fifanarahana tamin’ireo tantsaha mpamokatra ary ireo mpisehatra amin’ny varotra  eto an-toerana ny ministeran ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifàna fa hapetraka ny fetram-bidin’entana taorian’ny fihaonan’izy ireo sy ny ministra Razafindravahy Edgard roa  herinadro lasa izay.

Notsongaina manokana ny vidin’ny vary, siramamy, menaka, lafarinina ary ny arina fandrehitra satria, taorian’ny fanadiadiana dia tsapa fa  ny 80% ny tokatrano malagasy dia manjifa ireo entana ireo avokoa isan’andro.

Rehefa  tena nofotopotorana tsiraidray ny sandan’ny mason’karena isaky ireo entana voalaza ireo, ary narahina kajy,  dia tapaka teo anivon’ny ministera  fa tsy mamono ny tantsaha sy ny mpisehatra  ara-barotra, nefa koa, tsy mamono ny mpanjifa raha hapetraka  ny fetram-bidy tsy azo hoarana.

Mahatsapa koa ny minisitra fa  tsy  voatery hitovy daholo ny vidin’ny entana tonga  eny amin’ny tsena satria, indraindray miankina amin’ny saran’ny fitanterana sy ny halaviran’ny toerana iaingan’ny entana izany, nefa tsapa fa misy ireo olona  tena  manaraoraotra, maka  tombony mihoatra ny araka ny tokony ho izy.

Partagez :
Mahandry