Social

Mirongatra ny halatra taova ao Menabe

Lehilahy iray 49 taona no nisy nidaroka sy naka ny masony roa ary tsaboina ao amin’ny hopitaly be Namahora ankehitriny. Efa nandray an-tanana ity niharam-boina ity teo am-pahatongavana ny hopitaly, hoy ny lehiben’ny sampan-draharaha, Dr Ranaivo Andrianjara.
Ny alin’ny 23 novambra no nitrangan’izao voina izao, tao Kokosera Magnamby distrikan’i Mahabo, faritra Menabe. Avy namonjy lanonam-pianakaviana izy no nisy lehilahy roa nisakana sy nikapoka azy tamin’ny golety. Anisan’ny nampalemy azy ny fahamamoany hoy ny rahalahiny.
Nanamafy ny solontenam-pokonolona fa efa fanindimin’ny tranga famonoana miendrika habibiana ao amin’ny distrikan’i Mahabo izao miseho ao Magnamby izao.
Manao ny fikarohana ny olon-dratsy ny mpitandro filaminana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer