Social

Mpangala-jaza iray no maty voatifitry ny Polisin’ny CSP Ihosy, zaza 6 sy 10 taona no tafaverina soamatsara.

Ny Sabotsy 19 Novambra lasa teo no nisy nangalatra ireo zaza roa 6 sy 10 taona izay samy tsy teo an-toerana ny ray aman-dreniny. Roa ora tao aorinan’io no nisy nandefa hafatra tamin’ny finday ny renin’ilay zaza 10 taona fa mila manome vola 10 tapitrisa raha te ahita ireo zaza roa ireto. Vao neheno ny zava-miseo ny ray aman-drenin’ilay zaza 6 taona dia nanantona avy hatrany ny Polisy tao Ihosy. Ny ray aman-drenin’ilay zaza 10 taona kosa tsy tonga tany an-toerana.

Tao anatin’ny fanadiadiana izay nataon’ny polisy no nahafantarana ny trano nitazonana ireo zaza, ka tra-tehaka tao ny lehilahy iray miaraka amin’ny basy sy ireo zaza roa. Natondrony tamin’ireo ankizy ny basy ka voatery nitifitra azy ny polisy. Lavo teo noho eo ilay lehilahy ary fantatra fa basy kilalao no teny an-tanany. Tao anatin’ny famotorana no nahafantarana fa ilay ray aman-drenin’ilay zaza 10 taona no nikonokonona ny fangalaran-jaza, ho entina hamitahana ny ray aman-drenin’ilay zaza 6 taona ahafahana maka vola amin’izy ireo. Salama tsara avokoa ireo zaza nangalarina ary efa any amin’ny ray aman-dreniny ilay zaza 6 taona, raha mbola karohina ilay renin’ilay zaza 10 taona.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer