Mpiasan’ ny Fadintseranana: hitokona mandritra ny roa andro

  • 20 octobre 2021
Hanao fitokonana fanairana ny Sendikan’ny Mpiasan’ny Fadintseranana manomboka rahampitso alakamisy 21 hatramin’ny 23 oktobra.
Antony voalohany hanatanterahan’izy ireo izany ny fanadihadiana ampanaovin’ny Banky afrikana ho an’ny fampandrosoana. Mampiahiahy ny mpiasa ireo voambolana ampiasaina ao anatin’izany.
“ Fanampiana ny Fanjakana no ataonay mba tsy hanaiky ny mety ho tsindry ataon’ ny mpamatsy vola amin’ ny fanovana rafitra eto amin’ Fadintseranana Malagasy”, hoy ireo mpiasa. Azo heverina araka izany fa mety hatambatra ny Sampandraharaha momba ny hetra sy ny Fadintseranana ary hisy rafitra hafa hisahana an’izy roa ireo miaraka.
Mety hisy fanafoanana sampandraharaha vitsivitsy koa eo anivon’ny fadintseranana rehefa tanteraka izany. Izany no tsy eken’ireo mpiasan’ny Fadintseranana ka hanaovany antso amin’ny Fanjakana.
Antony faharoa ny fisiana naoty nivoaka izay hita fa mijabaka amin’ny fitantanana ao anatin’ ny Fikambanana iray misahana ny sosialin’ ny mpiasa.
Ny fahatelo farany dia ny fanomezana vahana orinasa tsy miankina amin’ny andraikitra ao anatin’ ny Fadintseranana.
Tetsy andanin’izany anefa, nilaza ny tomponandraikitra iray fa na misy aza ny fitokonana ataon’ny Sendika dia misy hatrany ny fampandehanan-draharaha ao amin’ny Fadintseranana.
Partagez :
Mahandry