Social

Mpitsirikasa : mbola maro ireo tsy fanarahan-dalana eny anivon’ny toeram-piasana

Hapetraka manomboka izao ny fahaizana amam-panao ho an’ireo mpiantsehatra mivantana amin’ny olana ateraky ny asa. Tanjona ny hampirindra sy hijery manokana ny fomba fiasa amin’ny olana rehetra aterak’izany.

Ny mpitsirikasa no manao ny fanadiahadiana ifotony ary ny mpitsara kosa no mandray sy mitsara izay mety ho disadisa eo amin’izany sehatra izany. Fanamby hapetraka ny mba hisian’ny fitoviam-pijery. Ho tanterahina ao anatin’ity atrik’asa ity ny fandinihina manokana ireo izay mety ho fehezan-dalana famaizana eo amin’ny sehatry ny asa mba hialana amin’ny gaboraraka sy ny tsy fanarahan-dalàna misy.

Nanatanteraka fampihofanana ho an’ireo mpitsara sy mpitsirikasa eo anivon’ny Ministeran’ny Asa, ny Fampananan’Asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalàna Sosialy ny Birao Iraisam-pirenena momba ny asa (BIT) eto Madagasikara mba hahatongavana amin’izany. Haharitra efatra 4 andro ity atrik’asa ity.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer