Social

Ndao hamaky boky Vohémar : ny EPP Andranomasibe no natao sekoly filamatra

Ny CISCO Vohémar no nisantaran’ny tetikasa “Ressources éducatifs” ny hetsika “Ndao hamaky boky” tany amin’ny faritra SAVA izay natao ny 23 novambra teo, tao amin’ny médiathèque municipale Vohémar, ka ny EPP Andranomasibe Vohémar no noraisina ho sekoly filamatra amin’izany.
Fantatra nandritra ny hetsika fa hampidirina ho mpikambana ao amin’ny “Alliance Française” ireo mpianatra kilasy T4 sy T5 ao amin’ity sekoly ity ho fampirisihana azy ireo ho tia boky sy ho tia hamaky boky. Efa nisy talohan’izao hetsika izao ny fanofanana ny mpampianatra mitazona ireo kilasy roa ireo sy ny mpiandraikitra ny tranomboky miasa ao amin’ny “médiathèque municipal”.
Miara-miasa amin’ny fanatontosana izao hetsika izao ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, ny Alliance Française ary ny Lions club internationale.
Tombofeno Zoralien

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer