Social

OJM : nekena ny filatsahan-kofidian’ny lisitra taritin’ i Harifeno Monica

Neken’ny vaomiera mpikarakara ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny holafitry ny mpanao gazety (OJM) ny filatsahan-kofidian’ny lisitra taritin-dRasoloarison Harifeno Monica, lisitra tokana nirotsaka amin’izany.

Hanomboka rahampitso 30 septambra ny fampielezan-kevitra araka ny nambaran-dRambeloson Jean Aimé, filohan’ny vaomiera. Tsy misy fihemorana kosa fa amin’ny faha 16 oktobra izao no atao ny fifidianana izay ho mpikambana vaovao ao anatin’ity holafitry ny mpanao gazety ity.

Nifarana tamin’ny faha 26 septambra ny fe-potoana fanaterana ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filohan’ny Holafitry ny mpanao gazety eto Madagasikara. Iray ny taratasy voarain’ny komity mpikarakara ny fifidianana, dia ny lisitra tarihin’ny mpanao gazety Rasoloarison Harifeno Monica.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer