Economie

OMH: tsy nisy fiakarany ny vidin-tsolika eto Madagasikara

Mety hiakatra 4% hatramin’ny 5% ny tsenan’ny solika eto Madagasikara raha nahitana fitotonganana izany nandritry ny taona 2020 nohon’ny valan’aretina covid-19, hoy ny Tale jeneralin’ny OMH (Office Malagasy des Hydrocarbures), Olivier Jean Baptiste nandritry ny fankalazana ny andro maneran-tany hoan’ny angovo.

Raha 1 151 439 ny isan’ny tsenan’ny solika taona 2019 dia nihena ho 964 484 izany ny taona 2020 niakatra ho 1 139 337 tamin’ity taona 2021 ity. Antony fiakaran’ny tahan’ny tsena ny fiverenan’ny olona sy orin’asa lehibe amin’ny asa andavan’androny, eo ihany koa ny isan’ny fiara miditra eto an-toerana izay mahatratra 12 000 ka hatramin’ny 15 000 isan-taona . Ankoatra izany dia nanambaran’ ny tale jeneralin’ny OMH fa diso ny filazana fa nisy fiakarana 20 ariary ny vidin’ny solika eto Madagasikara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer