Sport

Rugby Gasy : ho fampafantarana bebe kokoa ity taranja ity eto Madagasikara

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy andronany 16 septambra ny hetsika fampiratiana ny tantaran’ny Rugby Gasy  izay tanterahina etsy amin’ny Tahala Rarihasina Analakely nanomboka ny voalohan’ny volana Septambra ka hatramin’ny 26 Novambra 2021. Eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fantanjahantena ity hetsika ity izay nokarakarain’ny Malagasy rugby, iaraha-miasa amin’ny masoivohon’ny Frantsa eto Madagasikara.

Tanjona amin’izao fampiratiana izao ny hampihenana ny tsy fitoviana eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy amin’ny alalan’ny taranja rugby. Ny fiaraha-miasa tahaka izao dia anisany mampandroso ny tontolon’ny Fanatanjahan-tena, hoy ny minisitra Mamod’Ali Hawel. Amin’ny alalan’ny fanatanjahan-tena no hamerenana ny ambopom-pirenena, hoy hatrany izy ka tsy maintsy omena tosika ireo mpisehatra ahafahana manatanteraka izany.

Ao anatin’ny fijerena ny fomba hanatsarana ny kianja Makis Andohatampenaka kosa ny minisitera amin’izao fotoana izao.

Nisy fivoarana ny tontolon’ny baolina lavalava hoy ny filohan’ny Malagasy Rugby, Marcel Rakotomalala indrindra taorian’ny nahazoan’i Madagasikara ny tompondaka taty Afrika ny taona 2012. Manentana kosa ireo tanora hitsidika ny fampiratiana ary hanao fikarohana mikasika ny baolina lavalava Malagasy ny masoivohon’ny frantsa monina sy miasa eto amintsika, Christophe Bouchard.

Nanomboka ny taona 1900 no nisy rugby teto Madagasikara ary ny taona 1905 no nisy ny fifaninana voalohany izay natao teo Mahamasina, nifandonan’ny miaramila Frantsay sy ny ekipa Malagasy Zanaky ny Maraina.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer