Social

Sekolim-panjakana : tsy mandoa saram-pampidirana mpianatra ny ray aman-dreny

Tsy misy ny fandoavana saram-pampidirana mpianatra fa ny fandraisana anjara ho an’ny kitapom-bola FEFI (latsakemboka FRAM) kosa no aloan’ny ray aman-dreny amin’ny fidiran’ny taom-pianarana ho avy izao, araka ny angom-baovao teo anivon’ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena.

Amin’ny maha fandraisana anjara azy dia tokony hanefa io avokoa ny raiamandrenin’ny mpianatra, hoy ny minisitera, fa kosa tsy manakana ny fisoratana anarana ny tsy fandoavana izany.

Azon’ny sekolim-panjakana takiana tsikelikely mandritry ny taom-pianarana io fandraisana anjara io raha tsy voaloa eo no ho eo.

Arakaraky ny kaontim-bola ilaina ao anatin’ny taom-pianarana iray no hamaritana ny sandam-bola tokony harotsaky ny ray aman-dreny tsirairay amin’ny kitapom-bola FEFI ary tsy voatery hitovy izany isaky ny sekolim-panjakana.

Efa misy hoy ny minisitera ny naoty mametraka an’io fandaminana io ka ireo izay sekolim-panjakana mandingana izany dia azo hanaovana fitararainana any amin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny minisitera.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer