Politique

Solotenan’ny firaisamonim-pirenena ao amin’ny CENI : ny 26 oktobra no tanterahina ny fifidianana

Tafajoro ny « commission ad hoc » misahana ny fandraisana sy fandinihana ny taratasim-pilatsahan’izay ho solontenan’ny fiarahamonim-pirenena hilatsaka eo anivon’ny CENI.

Mitovy amin’ny vondronasa rehetra ihany ny fepetra sy sivana napetraka ankoatra ny fananana traikefa amin’ny fandraisana anjara teo amin’ny fanaraha-maso sy fitantanana ny fifidianana nandritra ny roa taona nisy teto amin’ny firenena ary voamarina.

Nisokatra ny 21 oktobra ny fandrotsahana ny taratasy filatsahana ary mifarana ny 23 oktobra. Mifanindran-dalana amin’izany koa ny fiantsoana  teo anivon’ny antenimierampirenana. Ny 26 oktobra no tanterahina ny fifidianana izay ho solontenan’ity rafim-panjakana ity mandritra ny fihaonambe azon’ny rehetra hatrehana. Misokatra amin’ny olon-drehetra manaja ny fepetra ny olona hofidiana izay hisolo tena ny antenimierampirenena araka ny taratasim-pahafantarana.

Andrasana ny taratasy fampiantsoana ataon’ny biraon’ny holafitry ny mpanao gazety voafidy vaovao izay tafajoro tamin’ny fomba ofisialy ny 20 oktobra lasa teo. Nisy ny fanambarana nataon’ny filohany, Rasoloarison Monica fa andraikitry ny holafitra vaovao ny misahana izany. Mbola afaka mamerina mametraka antontan-taratasim-pilatsahana ireo olona efa natolotra sy nankatoavin’ny biraon’ny holafitra teo aloha raha ny fanambarana nataony.

 

 

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer