Culture

Tranombokim-pirenena frantsay : Hanolotra boky ho an’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara

Ho tohizana ny fiaraha-miasa eo amin’ny tranombokim-pirenena frantsay sy ny eto Madagasikara izay efa natomboka ny taona 2019 izay tsy afaka nitohy noho ny krizy ara-pahasalamana nateraky ny Covid. Io no tapaka nandritra ny fihaonan’ny Filohan’ny tranombokim-pirenena frantsay (BNF) sy ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.
 
Hanolotra boky ho an’ny tranombokim-pirenena eto Madagasikara (BNM) izy ireo ka hiroso amin’ny fifantenana ireo boky omena hanatevenana ny tolotra misy ao amin’ny BNM. Boky izay ho hita ao amin’ny tahalan’ny fikarohana (Espace d’Etudes et de Recherches) ao amin’ny Tranombokim-pirenena malagasy.
 
Nifanarahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana koa ny hanamafisana ny fiaraha-miasa ao anatin’ny Réseau Francophone Numérique (RFN) ahafahan’i Madagasikara misitraka ny « numérisation » na famadihana ho nomerika ireo boky tranainy hita ao amin’ny Tranombokim-pirenena malagasy, izay efa maro simba ka maika ny fandraisana an-tanana azy.
 
Taorian’ny fihaonana dia nitsidika ny fampirantiana momba ny mpanoratra frantsay Charles Baudelaire izay atao ao amin’ny BNF ny delegasiona malagasy.

 

Taorian’ny fihaonana dia nitsidika ny fampirantiana momba ny mpanoratra frantsay Charles Baudelaire izay atao ao amin’ny BNF ny delegasiona malagasy.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer