Social

TVM-RNM Ambatolampy : notolorana fitaovana, nasiam-panavaozana ny toeram-piasana

Tonga nanolotra fitaovana ho an’ny TVM sy RNM Ambatolampy sy nijery ny fahavitan’ny asa fanamboarana ny trano fiasan’izy ireo tao an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny ORTM, fitaovana izay nampanantenainy ny vahoakan’Ambatolampy herinandro vitsy lasa izay.
Fanolorana ireo fitaovana ho an’ny TVM-RNM Ambatolampy

Tafiditra anatin’ireo fitaovana ireo ny fandraisana sy fampitana sary sy feo (haute fréquence) : émetteurs TV sy FM miaraka amin’ny stabilisateur. Nohavaozina ihany koa ny antenne TV sy radio eto Ambatolampy. Eo ihany koa ireo fitaovana ho an’ny studio TV sy Radio : moniteur audio, moniteur TV, melangeur video, table audio, stabilisateur, caméras, lecteur audio, micro, sns ary ny latabatra sy seza miaraka amin’ireo fitaovana fampiasana anty birao manamora ny asan’ny TVM sy RNM ao an-toerana.

Ny trano misy ny TVM-RNM Anosy nasiam-panavaozana tanteraka

Tsiahivina fa potika tanteraka ity tranon’ny TVM sy RNM ao Ambatolampy ity ka navaozina tanteraka. Namboarina ny rindrin’ny trano sy ny valindrihana, nolokoina, nosoloina ny varavarana sy ny varavarankely, namboarina sy nolokoina ny tamboho.

Mitohy hatrany ny fampitaovana tsikelikely ireo TVM/RNM isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara, tanjona ny hanenjehana ny fahatarana goavana nisy an-taonany maro.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer