Economie

Zotra nasionaly : malalaka ny mpitatitra hampiakatra ny saran-dalana

30 isan-jaton’ireo mpitatitra 7 000 eto Madagasikara no nisedra olana ary tsy afaka nanohy ny asany tsara intsony taorian’ny fihibohana. Isan’ny antony nampivory ireo tompon’ny fiara niaraka tamin’ireo koperativa izany ka nahatongavana tamin’ny fampakarana ny saran-dalana.
Saran-dalana efa tamin’ny taona 2013 no mbola mihatra hatramin’izao io hoy ny solon-tenan’ireo mpitatitra, Razafy Jems Jerry. Milaza ihany koa ny lalàna fa malalaka ny mpitatitra amin’ny fijerena ny saran-dalana ao aminy hoy hatrany izy.
Ahitana fiakarana 10 ka hatramin’ny 40 isan-jato ny saran-dalana miankina amin’ilay zotra sy ny fandaniana ao anatiny. Ny saran-dalana dia efa miakatra tsikelikely, isan’izany ohatra ny zotra mampitohy an’i Mahanoro sy Vatomandry, Antananarivo Mahanoro.
Niara-nidinika mikasika izany ny teo anivon’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ireo mpitatitra ary ireo heverina ho tokony tafiditra ao antin’ny komisiona hanapaka ny fiakaran’ny saran-dalana, ny 23 Novambra 2021.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer