• 17 février 2022
Mitohy hatrany ny fanampiana ataon’ny Tafika ho an’ireo traboina tao aorian’ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai, any amin’ny faritra Atsinanan’i Madagasikara. Araka izany dia halatsaka amin’ny alalan’ny fiaramanidina Cessna androany ao Befotaka ireo fanampiana.
Nanomana izany ireo miaramila avy ao amin’ny ZDS Matitanana, ka mitsinjara ho 25 kilao isaky ny gony izany, mba hanamora ny fandatsahana azy. Manoloana izany dia naneho fankasitrahana ny Tafika ny Governoran’ny faritra Atsimo Atsinanana nandritra ny fihaonany tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena.
Tsy mijanona hatreo anefa ny andraikitry ny Tafika fa miara-misalahy amin’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa ireo miaramila mpitsabo manao vonjy aina sy fizaham-pahasalamana ny vahoaka any an-toerana. Mitarika azy ireo amin’izany ny Profesora Rakotondrainibe Willy sy ny Médecin-Colonel Ravoavy Hariniaina.
Partagez :
Mahandry