• 15 avril 2021

Nandefa vaksiny sy fanafody ahitana « antibiotique », « vitamines » ary « antiparasitaires » ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny minisitera tompon’andraikitra ho an’ireo faritra tratran’ny « fièvre de la vallée du Rift » (FVR). Kaominina 35 amin’ny faritra 3: Diana, Boeny ary Vatovavy Fitovinany no hanaovana fanentanana mba tsy hihinanan’ny olona ny hena manta na ronono mantan’ireo biby fiompy tratran’ny aretina. Miara misalahy ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Jono miaraka amin’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fiarovana ny biby fiompy sy ny lona ary indrindra ny fisorohana ny valan’aretina FVR.

Partagez :
Mahandry