Brèves

Zazalahy kely 11 taona antsoina hoe Frédéric izay mipetraka ao amin’ny fokontany Antanambao Imerintsiatosika, nilalao pneu teo an-tokontany no nisy naka ka nentin’ireo olon-dratsy nitsoaka tany Tsiroanomandidy. Tratehaky ny zandary any an-toerana ireo jiolahy 2 sy ilay zazalahy.

Efa eo am-pela-tanan’ny manam-pahefana ny raharaha. Tsy mbola nahitana tranga fakana an-keriny sy hala-jaza tao amin’ny Faritra Bongolava raha ny vaovao voaray fa misy fifandraisana amin’ny olon-dratsy no nahatonga izany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer