Brèves

FIFITI Morondava  : Manatanteraka fihaonana any Morondava ny filohan’ny Tily eto Madagasikara nanomboka androany 3 aogositra ary hifarana ny 5 aogositra ho avy izao, handrefesana ny tomban’ezaky ny asa fanabeazana nataon’ny Tily.

Anisany lohahevitra nanabeazana tamin’izao andro voalohany izao ny fanoloran-tena ho sahy hanapa-kevitra, ka hanaiky hiombona amin’Andriamanitra, hanavao fanekena amin’i Kristy. Tsy hadino koa ny maha olom-pirenena izay nanentanana ny tsirairay hahay handray andraikitra eo amin’ny firenena satria tsy afa misaraka ny fiangonana sy ny firenena.

Ahitana solontena avokoa ireo faritra eto Madagasikara avy amin’ny fiangonana FLM, FJKM, Anglikanina, EMTM, Fiangonana trano Briky, trano Zozoro.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer