Brèves

Noraisina vonjimaika androany ny lalana vita tara mirefy 7km mampitohy an’Andakoro, Aide et Action, ny Rocade Extérieure, ny fokontany Ambohitsabo sy Antaravay, sy ireo lalana pavé miisa 22, mitontaly 5 km miampy ireo lakan-drano eto an-tampon-tanànan’i Toliara. Miteti-bidy 23,258 miliara ariary ny fanamboarana ireo fotodrafitr’asa ireo araka ny fampitana voaray ary tafiditra ao anatin’ilay tetikasa PADEVE andiany voalohany.

Ny tanàna’i Toliara sy Fianarantsoa ary Antsiranana no voakasiky ny PADEVE 1 ary hitarina amin’Antsirabe, Toamasina ary Mahajanga ny PADEVE 2 izay famatsiam-bolan’ny Agence Française de Développement (AFD) ka vinavinaina hiatomboka ny taona 2023.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Voir Aussi

Fermer
Fermer