• 5 août 2022
Efa azon’ireo mpitatitra maniry hampiasa ny  »bus moderne » atao ny misoratra anarana, eny amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra manomboka izao. Azo atao koa ny miantso mivantana ny laharana 032 05 470 03. Tsy an-tery, fa manana safidy malalaka ny mpitatitra tsirairay amin’ny fandraisana na tsia, ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana.
Tsiahivina fa miisa 1 000 ny fiara fitateram-bahoaka hafaran’ny fanjakana, ary heverina ho tonga mialoha ny faran’ity taona 2022 ity izany. Hiantohan’ny fanjakana ny 50% amin’ny vidin’ny fiara. Hifandinihan’ny fanjakana sy ny mpitatitra kosa ny ambiny.
Partagez :
Mahandry