• 9 août 2022

Mametraka paikady vaovao, manaraka ny fenitra sy ny fivoaran’ny fanaovana hosoka ny Birao misahana ny Ady amin’ny Hosoka ankehitriny.

Miova endrika ny ady amin’ny hosoka amin’izao satria miova endrika koa ny fanaovana hosoka ary tsy maintsy mivoatra manaraka izany ny BAP, mba hahafahana miaro hatrany ny sanganasan’ireo mpamorona sy mpamokatra, raha ny nambaran’ny minisitra misahana ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana. Efa maro koa ny karazana tranga sy sehatra hisehoan’ny hosoka. Anisan’izany ny fandikana boky, na an-taratasy na an-tsary, ankoatra ny fandikana kapila mangirana sy ny fakana hira amin’ny fitaovana nomerika isan-karazany.

Partagez :
Mahandry